Genesis 43:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Israely rainy taminy: Raha izany ary no izy dia izao no ataovy: Makà amin’ny vokatra malaza amin’ny tany ka ataovy ao anatin’ny fitondranareo entana dia ento midina hatao fanomezana ho an-dRalehilahy, dia balisama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota ary pistasy sy amanda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia hoy i Israely rainy, tamin’izy ireo: «Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin’ny tany, ataovy ao anaty fitondran’entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanôma, voanjo, amandy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Jakôba tamin’ireo zanany: –Raha izany àry, dia izao no ataovy: Mitondrà an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an’ilay Ejiptianina. Mitondrà zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, làdana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Israely rainy taminy: Raha izany ary no izy dia izao no ataovy: Makà amin’ny vokatra malaza amin’ny tany ka ataovy ao anatin’ny fitondranareo entana dia ento midina hatao fanomezana ho an-dRalehilahy, dia balisama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota ary pistasy sy amanda.
malagasy