Genesis 43:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindrampo anareo eo anatrehan-dRalehilahy mba hamerenany ny rahalahinareo iray sy i Benjamina. Ary izaho, rehefa tsy hanan-janaka, dia tsy hanan-janaka intsony!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hampahita fitia anareo eo imason-dralehilahy, mba havelany hody miaraka aminareo ilay rahalahinareo anankiray, sy i Benjamina. Ary ny amiko raha anjarako ny hofoanana anaka dia aoka ihany ho foana anaka aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an’i Benjamîna sy i Simehôna hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy hombàn-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.
Malagasy Bible 1865
ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindrampo anareo eo anatrehan-dRalehilahy mba hamerenany ny rahalahinareo iray sy i Benjamina. Ary izaho, rehefa tsy hanan-janaka, dia tsy hanan-janaka intsony!
malagasy
ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.