Genesis 43:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentin’ireo lehilahy ireo ny zavatra hatao fanomezana; vola indroa torak’ilay teo koa no noentin’izy ireo teny an-tanany, niaraka tamin’i Benjamina. Dia niainga izy ireo, nidina tany Ejipta ka tonga teo anatrehan’i Josefa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nalain’ireo olona ireo izany fanomezana izany, ary nentiny teo an-tanany ny vola avo sasaka, mbamin’i Benjamina, dia niainga izy nidina nankany Ejipta, ary niseho teo anatrehan’i Josefa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentin’izy mirahalahy avy ny fanomezana sy ny vola ary koa i Benjamîna; dia niainga izy niara-nidina nankany Ejipta, ka niseho teo anatrehan’i Jôsefa.
Malagasy Bible 1865
Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentin’ireo lehilahy ireo ny zavatra hatao fanomezana; vola indroa torak’ilay teo koa no noentin’izy ireo teny an-tanany, niaraka tamin’i Benjamina. Dia niainga izy ireo, nidina tany Ejipta ka tonga teo anatrehan’i Josefa.
malagasy