Genesis 43:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nahita an’i Benjamina niaraka tamin’ireo rahalahiny i Josefa dia niteny tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo dia amonoy zavatra ary anamboary sakafo fa hiara-hisakafo amiko izy ireo amin’ny mitataovovonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao nahita an’i Benjamina niaraka tamin’izy ireo i Josefa, dia nilaza tamin’ny mpikarakara ny tranony hoe: «Ampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra sy anaovy nahandro, fa hiara-mihinana amiko ireo olona ireo amin’ny mitatao vovonana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa hitan’i Jôsefa fa niaraka tamin’ireo i Benjamîna, dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny ao an-tranony: –Ento any an-trano ireo lehilahy ireo, dia mamonoa zavatra ka manamboara sakafo, fa hiara-mihinana amiko izy ireo anio antoandro.
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nahita an’i Benjamina niaraka tamin’ireo rahalahiny i Josefa dia niteny tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo dia amonoy zavatra ary anamboary sakafo fa hiara-hisakafo amiko izy ireo amin’ny mitataovovonana.
malagasy