Genesis 43:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raiki-tahotra ireo lehilahy ireo satria nampidirina tao an-tranon’i Josefa ka hoy izy ireo: Noho ilay vola naverina tao anatin’ny lasakantsika fahiny izao no nampidirana antsika, hitadiavany hevitra ny hamelezany antsika ka hataony mpanompo isika ary halainy koa ny borikintsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raiki-tahotra anefa ireo olona ireo nony nentina ho ao an-tranon’i Josefa, fa hoy izy: «Ilay vola naverina tao anaty lasàkantsika, tamin’ilay indray mandeha izao, no handraisany antsika, dia ny hamelezany antsika izany sy hivarinany amintsika, ary hangalany antsika ho andevony mbamin’ny ampondrantsika koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia raiki-tahotra satria naiditra tao ka nifampilaza hoe: «Noho ilay vola naverina tao anaty kitapom-barintsika teo aloha izay no nampidirana antsika eto mba hahavoa antsika sy hakany ny borikintsika ary hanandevozany ny tenantsika.»
Malagasy Bible 1865
Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raiki-tahotra ireo lehilahy ireo satria nampidirina tao an-tranon’i Josefa ka hoy izy ireo: Noho ilay vola naverina tao anatin’ny lasakantsika fahiny izao no nampidirana antsika, hitadiavany hevitra ny hamelezany antsika ka hataony mpanompo isika ary halainy koa ny borikintsika.
malagasy