Genesis 43:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga teo amin’izay nandrianay izahay dia nosokafanay ny lasakanay dia indreo, ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ny lasakanay avy, tsy nahabangana ny lanjan’ny volanay rehetra. Noentinay niverina etỳ an-tananay izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga teo amin’ny toerana handrianay izahay, nanokatra ny lasàkanay, ka indreo ny volanay isany, samy teo am-bava-lasàkanay avy, sy samy tonga lanja avokoa; dia indro izy entinay miaraka aminay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga teo amin’ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo,
Malagasy Bible 1865
ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga teo amin’izay nandrianay izahay dia nosokafanay ny lasakanay dia indreo, ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ny lasakanay avy, tsy nahabangana ny lanjan’ny volanay rehetra. Noentinay niverina etỳ an-tananay izany.
malagasy