Genesis 43:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Ralehilahy: Fiadanana ho anareo! Aza matahotra! Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ny lasakanareo. Ny volanareo dia efa tonga atỳ amiko. Dia namoaka an’i Simeona ho eo aminy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy izy taminy: «Ho aminareo anie ny fiadanana, fa aza matahotra na inona na inona. Ny Andriamanitrareo, ny Andriamanitry ny rainareo no nanome anareo rakitra tao anaty lasàkanareo. Fa ny volanareo efa nomena ahy.» Dia nentiny nankeo amin’izy ireo i Simeôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna,
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Ralehilahy: Fiadanana ho anareo! Aza matahotra! Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ny lasakanareo. Ny volanareo dia efa tonga atỳ amiko. Dia namoaka an’i Simeona ho eo aminy izy.
malagasy