Genesis 43:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampidirin-dRalehilahy tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano. Dia nisasa tongotra izy ireo ary nomeny hanina koa ny borikiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony avy nampandroso azy ireo tao an-tranon’i Josefa ralehilahy dia nanome rano azy, ka nanasa tongotra izy ireo; ny ampondrany koa nomeny vilona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nasainy niditra tao an-tranon’i Jôsefa izy rehetra, ary nomeny rano hanasany tongotra; sady nomeny vilona koa ny borikiny.
Malagasy Bible 1865
Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampidirin-dRalehilahy tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano. Dia nisasa tongotra izy ireo ary nomeny hanina koa ny borikiny.
malagasy
Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.