Genesis 43:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tao an-trano i Josefa dia natolotr’izy ireo ho azy ny fanomezana izay noentiny ho ao an-trano, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tao an-trano i Josefa, nampidirin’izy ireo tao an-trano ny fanomezana izay efa mby ao an-tanany, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao niditra i Jôsefa, dia natolotr’ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tao an-trano i Josefa dia natolotr’izy ireo ho azy ny fanomezana izay noentiny ho ao an-trano, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy rehetra.
malagasy
Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.