Genesis 43:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanontany ny fahasalamany i Josefa ka niteny hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahiantitra, nolazainareo? Mbola velona ihany va izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanadina ny toe-pahasalaman’izy ireo i Josefa vao nanao hoe: «Tsara ihany va ilay rainareo efa antitra nolazainareo? Mbola velona ihany ve izy?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanontany ny fahasalaman’izy ireo i Jôsefa, sady nanampy hoe: –Ary mba manao ahoana ilay rainareo efa antitra izay nolazainareo tamiko? Moa mbola velona ihany ve izy?
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanontany ny fahasalamany i Josefa ka niteny hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahiantitra, nolazainareo? Mbola velona ihany va izy?
malagasy
Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?