Genesis 43:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanopy ny masony i Josefa ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy izay nolazainareo tamiko? Hoy ihany izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natopin’i Josefa ny masony ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, izy; hoy izy: «Io va no zandrinareo faralahy ilay noresahinareo tamiko?» Ary hoy izy: «Hambinin’Andriamanitra anie ianao, anaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanopy maso i Jôsefa ka nahita an’i Benjamîna rahalahiny izay iray reny aminy, dia nanao hoe: –Io moa izany ilay zandrinareo faralahy nolazainareo tamiko? Ary dia nampian’i Jôsefa hoe: –Andriamanitra anie hitahy anao, anaka!
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanopy ny masony i Josefa ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy izay nolazainareo tamiko? Hoy ihany izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka!
malagasy