Genesis 43:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eo, rehefa avy nanasa ny tarehiny izy, dia niala tao. Nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka niteny hoe: Arosoy ny sakafo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nosasany aloha ny tavany vao nivoaka avy ao izy; ary notsindriny mafy ny fangorakoraky ny fony, ka hoy izy: «Arosoy ny sakafo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa avy nanasa tarehy izy, dia niditra indray. Notsindriany ny fihetseham-pony ary nasainy naroso ny sakafo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eo, rehefa avy nanasa ny tarehiny izy, dia niala tao. Nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka niteny hoe: Arosoy ny sakafo!
malagasy
Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.