Genesis 43:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia narosony mitokana ny ho an’i Josefa, mitokana ny ho an’ny rahalahiny ary mitokana koa ny ho an’ny Ejiptiana izay nisakafo teo aminy, satria ny Ejiptiana dia tsy mahazo miara-misakafo amin’ny Hebreo fa zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naroso manokana ny an’i Josefa, ny an’ireo rahalahiny koa manokana; ny an’ireo Ejiptianina niara-nihinana taminy manokana koa; satria tsy mahazo miara-mihinana amin’ny Hebrio ny Ejiptianina, fa fahavetavetana ho an’ny Ejiptianina izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Norosoana sakafo mitokana i Jôsefa, natao mitokana ny an’ireo rahalahiny, ary nihinana mitokana koa ireo Ejiptianina nasaina fa tsy mahazo mihinana miaraka amin’ny Hebreo satria fady izany.
Malagasy Bible 1865
Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia narosony mitokana ny ho an’i Josefa, mitokana ny ho an’ny rahalahiny ary mitokana koa ny ho an’ny Ejiptiana izay nisakafo teo aminy, satria ny Ejiptiana dia tsy mahazo miara-misakafo amin’ny Hebreo fa zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana izany.
malagasy