Genesis 43:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nipetraka teo anatrehan’i Josefa ireo rahalahiny, ny lahimatoa araka ny fizokiany ary ny faralahy araka ny maha zandriny azy. Dia samy talanjona ka nifampijerijery teo izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nipetraka teo anatrehan’i Josefa ireo rahalahiny, dia ny lahimatoa araka ny fizokiany, ny faralahy koa araka ny taonany, ka nifampijerijery sady gagagaga izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nipetraka nanoloana an’i Jôsefa arakara-jokiny ireo rahalahin’i Jôsefa, manomboka amin’ny lahimatoa ka miafara amin’ny faralahy. Dia nifampijerijery ireo sady gaga.
Malagasy Bible 1865
Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nipetraka teo anatrehan’i Josefa ireo rahalahiny, ny lahimatoa araka ny fizokiany ary ny faralahy araka ny maha zandriny azy. Dia samy talanjona ka nifampijerijery teo izy ireo.
malagasy
Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.