Genesis 43:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary samy nitondrana anjara sakafo teo anoloan’i Josefa avy izy mirahalahy; kanefa ny anjaran’i Benjamina dia indimin’ny anjaran’ny iray tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran’i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasain’i Jôsefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an’i Benjamîna dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin’ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin’i Jôsefa izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary samy nitondrana anjara sakafo teo anoloan’i Josefa avy izy mirahalahy; kanefa ny anjaran’i Benjamina dia indimin’ny anjaran’ny iray tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy ireo.
malagasy