Genesis 43:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy ireo: Nanadihady mafy ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay Ralehilahy ka niteny hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? Ary manana rahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany. Moa nampoizinay akory va izay hitenenany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy iretsy: «Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: ‹Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va ianareo?› Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: ‹Ento midina ny rahalahinareo.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka namaly ireo hoe: –Ralehilahy io no namotopototra mafy momba anay sy momba ny fianakavianay, ka nanontany hoe: «Mbola velona ve ny rainareo? Mbola manana rahalahy ve ianareo.» Ary izahay dia namaly fotsiny ny fanontaniany, fa tsy nampoizinay ny hilazany hoe: «Ampidino aty ny rahalahinareo.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy ireo: Nanadihady mafy ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay Ralehilahy ka niteny hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? Ary manana rahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany. Moa nampoizinay akory va izay hitenenany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
malagasy