Genesis 44:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Josefa dia nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Fenoy hanina, araka izay zakany hoentina, ny lasakan’ireo lehilahy ireo ary ataovy eo am-bavan’ny lasakany avy ny volan’ny tsirairay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nomen’i Josefa teny ilay mpikarakara ny tranony, nataony hoe: «Fenoy hanina ny lasàkan’ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ka ny volany samy ataovy eo am-bava-lasàkany avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo i Jôsefa dia nandidy ny mpikarakara ny ao an-tranony hoe: –Fenoy hanina araka izay zakany ny kitapon’ireo lehilahy ireo, dia apetraho ao am-bavan-kitapon’ny tsirairay avy koa ny volany.
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Josefa dia nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Fenoy hanina, araka izay zakany hoentina, ny lasakan’ireo lehilahy ireo ary ataovy eo am-bavan’ny lasakany avy ny volan’ny tsirairay.
malagasy
[Ny nampahafantaran'i Josefa ny rahalahiny fa izy no Josefa, sy ny nanirahany haka ny rainy] Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy;