Genesis 44:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Joda: Inona no teny hataonay amin’Itompokolahy? Inona intsony no holazainay? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra mahita ny heloky ny mpanomponao. Koa indreto samy ho mpanompon’Itompokolahy, na izahay na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navalin’i Jodà: «Inona indray moa no azonay avaly ny tompoko? Hataonay ahoana no fiteny? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Efa hitan’Andriamanitra ny faharatsian’ny mpanomponao. Koa dia indreto izahay ho andevon’ny tompoko, na izahay na izay nahitana ny kôpy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly i Joda hoe: –Inona moa, tompoko, no holazainay anao? Inona no ho azonay lazaina mba hampiseho ny fahamarinanay? Andriamanitra no nahita ny fahadisoan’ny mpanomponao: indreto àry izahay, tompoko, manaiky ho andevonao miaraka amin’ilay nahitana ny tsangambava.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Joda: Inona no teny hataonay amin’Itompokolahy? Inona intsony no holazainay? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra mahita ny heloky ny mpanomponao. Koa indreto samy ho mpanompon’Itompokolahy, na izahay na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
malagasy