Genesis 44:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny kapoakako, ilay kapoaka volafotsy, dia ataovy eo am-bavan’ny lasakan’ilay faralahy miaraka amin’ny vola hividianany vary. Dia notanterahin’ny mpikarakara araka izany ny tenin’i Josefa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny kôpiko, ilay kôpy vola fotsy, ataovy ao am-bava-lasàkan’ilay zandriny indrindra, miaraka amin’ny vola vidin’ny variny koa.» Dia nataon’ilay mpikarakara izay nasain’i Josefa nataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Apetraho eo am-bava-kitapon’ilay faralahy koa ny tsangambavako volafotsy mbamin’ny vola hividianany vary. Dia notanterahiny tokoa izay nandidian’i Jôsefa azy.
Malagasy Bible 1865
ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny kapoakako, ilay kapoaka volafotsy, dia ataovy eo am-bavan’ny lasakan’ilay faralahy miaraka amin’ny vola hividianany vary. Dia notanterahin’ny mpikarakara araka izany ny tenin’i Josefa.
malagasy
ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa.