Genesis 44:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izahay tamin’Itompokolahy: Manana ray lahiantitra sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany, izahay; maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zanaky ny reniny sisa, ary tian’ny rainy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no navalinay ny tompoko: ‹Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly izahay hoe: «Mbola manan-dray efa antitra izahay ary koa ny zandrinay faralahy izay zanaky ny fahanterany. Tian-drainay fatratra izy, satria izy sisa no hany navelan’ny reniny fa ny rahalahiny dia efa maty.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izahay tamin’Itompokolahy: Manana ray lahiantitra sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany, izahay; maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zanaky ny reniny sisa, ary tian’ny rainy izy.
malagasy
Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.