Genesis 44:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka hijanona ho mpanompon’Itompokolahy hisolo ny zaza ny mpanomponao, fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ny rahalahiny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mifona aminao aho, mba avelao re ny mpanomponao hisolo ny zaza ho andevon’ny tompoko; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ireo rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny miangavy aho, tompoko, aoka ny tenako no hijanona hisolo toerana io zatovo io ho andevonao, fa izy kosa hiakatra hiaraka amin’ireo rahalahiny.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka hijanona ho mpanompon’Itompokolahy hisolo ny zaza ny mpanomponao, fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ny rahalahiny!
malagasy
Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny.Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.