Genesis 44:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tafavoaka ny tanàna izy ireo ka tsy mbola lasa lavitra dia hoy i Josefa tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny! Rehefa tratranao izy dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao tafavoaka ny tanàna, mbola tsy lavitra akory izy, dia hoy i Josefa tamin’ilay mpikarakarany: «Miaingà enjeho ireny olona ireny, ka rehefa mahatratra azy ianao dia lazao aminy hoe: ‹Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nivoaka ny tanàna izy, ka tsy mbola lasa lavitra akory, dia hoy i Jôsefa tamin’ilay mpikarakara ny ao an-tranony: –Ndeha, enjeho ireny lehilahy ireny, ary tratraro ka anontanio hoe: «Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa?
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tafavoaka ny tanàna izy ireo ka tsy mbola lasa lavitra dia hoy i Josefa tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny! Rehefa tratranao izy dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa?
malagasy