Genesis 45:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Josefa dia tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’izay rehetra nanatrika teo. Koa niantso izy hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’i Josefa rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’ny rahalahiny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tsy nahatsindry fo intsony i Josefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe: «Avoahy avokoa ny olona rehetra!» Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy, raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny.
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Josefa dia tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’izay rehetra nanatrika teo. Koa niantso izy hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’i Josefa rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’ny rahalahiny izy.
malagasy