Genesis 45:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia honina eo amin’ny tany Gosena ianao ka ho eo akaikiko ianao; ho eo akaikiko koa ny zanakao, ny zafinao, ny ondry aman’osinao ary ny ombinao mbamin’izay rehetra anananao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa honina eo amin’ny tany Gesena ianao, dia samy ho eo akaikiko avokoa ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ny ondrinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay.
Malagasy Bible 1865
dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia honina eo amin’ny tany Gosena ianao ka ho eo akaikiko ianao; ho eo akaikiko koa ny zanakao, ny zafinao, ny ondry aman’osinao ary ny ombinao mbamin’izay rehetra anananao.
malagasy
dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.