Genesis 45:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hamelona anao eo aho mba tsy hahantra ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao fa mbola haharitra dimy taona ny mosary.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hamelona anao eo aho, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary, mba tsy ho voan’ny fahoriana ianao sy ny ankohonanao ary ny anananao rehetra.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho no hamatsy sakafo anao atỳ, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary fandrao ringana ianao sy ny ankohonanao ary ireo biby fiompinao.»
Malagasy Bible 1865
Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hamelona anao eo aho mba tsy hahantra ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao fa mbola haharitra dimy taona ny mosary.
malagasy
Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.