Genesis 45:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nilaza taminy izy ireo ka niteny hoe: Mbola velona ihany i Josefa ary izy no mpanapaka amin’ny tany Ejipta manontolo. Nangatsiaka ihany anefa ny fon’i Jakoba fa tsy nino azy ireo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy izy taminy: «Mbola velona i Josefa, ary izy aza no manapaka ny tany Ejipta». Fa tsy nihontsina akory ny fon’i Jakôba, satria tsy nino azy ireo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notantarainy azy fa mbola velona any i Jôsefa ary izy mihitsy no mpanapaka eo amin’ny tany Ejipta manontolo; saingy tsy nampiraika an’i Jakôba izany, satria tsy nino ireto zanany izy.
Malagasy Bible 1865
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nilaza taminy izy ireo ka niteny hoe: Mbola velona ihany i Josefa ary izy no mpanapaka amin’ny tany Ejipta manontolo. Nangatsiaka ihany anefa ny fon’i Jakoba fa tsy nino azy ireo izy.
malagasy
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.