Genesis 45:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nolazain’izy ireo ny teny rehetra izay nolazain’i Josefa taminy. Rehefa hitany ny sarety izay nalefan’i Josefa mba hitondrana azy dia izay vao velona indray ny ain’i Jakoba rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nambaran’izy ireo azy ny teny rehetra nolazain’i Josefa. Rehefa hitany ny sarety nalefan’i Josefa hitondrana azy, dia velombelona terỳ ny fanahin’i Jakôba rainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nambaran’izy ireo taminy ny teny rehetra izay nampitondrain’i Jôsefa azy; ary rehefa nahita ny sarety izay nalefan’i Jôsefa hitondrana azy i Jakôba rainy, dia nahazoazo aina indray
Malagasy Bible 1865
Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nolazain’izy ireo ny teny rehetra izay nolazain’i Josefa taminy. Rehefa hitany ny sarety izay nalefan’i Josefa mba hitondrana azy dia izay vao velona indray ny ain’i Jakoba rainy.
malagasy
Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainyAry hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.