Genesis 45:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany dia tsy ianareo no nandefa ahy ho atỳ fa Andriamanitra; Izy no nametraka ahy ho rain’i Farao sy ho tompon’ny ao an-tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa amin’izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain’i Faraôna sy ho tompon’ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra mihitsy, ary mbola Izy ihany no nametraka ahy ho mpandraharaha faratampon’ny Farao sy ho mpanapaka izay rehetra ao an-tranon’ny Farao ary ho mpitondra an’i Ejipta manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany dia tsy ianareo no nandefa ahy ho atỳ fa Andriamanitra; Izy no nametraka ahy ho rain’i Farao sy ho tompon’ny ao an-tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo.
malagasy
Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.