Genesis 45:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana miakatra haingana ianareo ho any amin’Ikaky ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Josefa zanakao: Efa nataon’Andriamanitra ho tompon’i Ejipta manontolo aho ka midìna hankaty amiko fa aza misalasala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa miakara faingana ianareo any amin’ikaky ka lazao aminy hoe: ‹Izao no teny nataon’i Josefa zanakao: Natsangan’Andriamanitra ho tompon’i Ejipta manontolo aho, ka midìna ho aty amiko ianao ary aza ela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa miakara haingana ho any amin’i dada ianareo, ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’i Jôsefa zanakao: Andriamanitra efa nametraka ahy ho tompon’i Ejipta manontolo, koa midina atỳ amiko fa aza mitaredretra.
Malagasy Bible 1865
Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana miakatra haingana ianareo ho any amin’Ikaky ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Josefa zanakao: Efa nataon’Andriamanitra ho tompon’i Ejipta manontolo aho ka midìna hankaty amiko fa aza misalasala.
malagasy