Genesis 46:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia valio hoe: Miompy omby aman’ondry no raharaha fanaon’ny mpanomponao. Hatry ny fony vao zaza ka mandraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay. Amin’izay dia hahazo honina ao amin’ny tany Gosena ianareo satria zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana ny mpiandry ondry rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin’ny fahazazànay ka mandraka izao. Amin’izay dia hahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.
Malagasy Bible 1865
dia izao no havalinareo: Miompy omby aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia valio hoe: Miompy omby aman’ondry no raharaha fanaon’ny mpanomponao. Hatry ny fony vao zaza ka mandraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay. Amin’izay dia hahazo honina ao amin’ny tany Gosena ianareo satria zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana ny mpiandry ondry rehetra.
malagasy