Genesis 46:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga i Jakoba ka niala tao Bery-Sheba. Ary ireo zanak’Israely dia nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny tamin’ny sarety izay nalefan’i Farao hitondrana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vadiny aman-janany, teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niala tao Beera-Seba i Jakôba. Ary ireo zanakalahiny dia nitondra an’i Jakôba rainy sy ireo zaza amam-behivavy tao anatin’ny sarety izay efa nalefan’ny Farao hitondrana azy.
Malagasy Bible 1865
Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga i Jakoba ka niala tao Bery-Sheba. Ary ireo zanak’Israely dia nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny tamin’ny sarety izay nalefan’i Farao hitondrana azy.
malagasy
Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.