Genesis 47:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankao amin’i Farao i Josefa ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko miaraka amin’ny ondry aman’osiny ary ny ombiny mbamin’izay rehetra ananan’izy ireo dia tonga avy tany amin’ny tany Kanana; koa indreo, eo amin’ny tany Gosena izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany amin’i Faraôna i Josefa hilaza izany vaovao izany, ka hoy izy: «Tonga avy any amin’ny tany Kanaana ny raiko sy ny rahalahiko mbamin’ny ondriny sy ny ombiny sy izay rehetra ananany; ka indreo izy ao amin’ny tany Gesena.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa i Jôsefa nampandre ny Farao hoe: –Ny raiko sy ny rahalahiko ary ireo ondry aman’osiny sy ny ombiny mbamin’izay rehetra ananany dia tonga avy any amin’ny tany Kanahàna, ka indreo ao amin’ny faritr’i Gôsena izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankao amin’i Farao i Josefa ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko miaraka amin’ny ondry aman’osiny ary ny ombiny mbamin’izay rehetra ananan’izy ireo dia tonga avy tany amin’ny tany Kanana; koa indreo, eo amin’ny tany Gosena izy.
malagasy
[Ny nahazoan'Isiraely sy ny ankohonany fonenana tsara tao Gosena, ary ny nanjo ny Egyptiana noho ny hamafin'ny mosary] Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.