Genesis 47:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namponenin’i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zaratany tao amin’ny tany Ejipta, dia tao amin’ny tany tsara indrindra, tao amin’ny tany Ramesesa, araka izay nandidian’i Farao azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny i Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin’ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin’ny tany, ao amin’ny faritanin’i Ramsesa, araka ny teny nomen’i Faraôna azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny faritra tsara indrindra tany Ejipta, tao amin’ny faritra manodidina an’i Ramsesa, no napetrak’i Jôsefa ny rainy sy ireo rahalahiny, araka ny baikon’ny Farao, ary nomeny zaratany.
Malagasy Bible 1865
Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namponenin’i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zaratany tao amin’ny tany Ejipta, dia tao amin’ny tany tsara indrindra, tao amin’ny tany Ramesesa, araka izay nandidian’i Farao azy.
malagasy
Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao.