Genesis 47:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nangonin’i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanana, dia izay vidin’ny vary lafo tamin’ny olona. Nampidirin’i Josefa tao an-tranon’i Farao ireny vola ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lasan’i Josefa tamin’ny vidim-bary novidin’ny olona avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, ka nampidiriny tao an-tranon’i Faraôna izany vola izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nangonin’i Jôsefa ny vola rehetra tany Ejipta sy tany Kanahàna, dia ny vola izay nividianan’ny olona vary, ka nasainy nentina tao an-dapan’ny Farao.
Malagasy Bible 1865
Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola.