Genesis 47:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tapitra avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanana dia nankeo amin’i Josefa ny Ejiptiana rehetra ka niteny hoe: Omeo hanina re izahay! Nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? Efa lany avokoa ny vola!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony lany avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, dia nankany amin’i Josefa ny Ejiptianina rehetra nanao hoe: «Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa tsy nisy vola intsony na tany Ejipta na tany Kanahàna, dia tonga tany amin’i Jôsefa ny Ejiptianina rehetra ka nanao hoe: –Omeo hanina izahay. Satria tsy manam-bola ve izahay, dia ho faty eto anatrehanao?
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tapitra avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanana dia nankeo amin’i Josefa ny Ejiptiana rehetra ka niteny hoe: Omeo hanina re izahay! Nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? Efa lany avokoa ny vola!
malagasy