Genesis 47:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy kosa i Josefa: Omeo ary ny omby aman’ondrinareo ho takalon’ny hanina raha lany ny vola.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Josefa: «Rehefa lany ny volanareo, ny biby fiompinareo entina; hotakalozako hanina ny biby fiompinareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy kosa i Josefa: Omeo ary ny omby aman’ondrinareo ho takalon’ny hanina raha lany ny vola.
malagasy
Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.