Genesis 47:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentin’izy ireo tany amin’i Josefa ny omby aman’ondriny ka natakalon’i Josefa hanina ny soavaly mbamin’ny ondry aman’osy ary ny omby sy ny borikin’izy ireo. Nomeny hanina izy ireo tamin’izany taona izany ho takalon’ny bibiny rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentiny nankany amin’i Josefa ny biby fiompiny, ary nomen’i Josefa hanina izy ho takalon’ny soavaliny, sy ny andian’ondry aman’ombiny ary ny ampondrany. Nomeny hanina izy tamin’izany taona izany ho takalon’ny biby fiompiny rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentin’ny olona tany amin’i Jôsefa ny andiam-biby fiompiny; ka notakalozan’i Jôsefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’osiny ary ny ombiny sy ny borikiny. Koa tamin’iny taona iny dia nanome sakafo azy i Jôsefa ho takalon’ny biby fiompy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentin’izy ireo tany amin’i Josefa ny omby aman’ondriny ka natakalon’i Josefa hanina ny soavaly mbamin’ny ondry aman’osy ary ny omby sy ny borikin’izy ireo. Nomeny hanina izy ireo tamin’izany taona izany ho takalon’ny bibiny rehetra.
malagasy