Genesis 47:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tapitra io taona io dia nankeo aminy indray ny olona tamin’ny taona faharoa ka niteny taminy hoe: Tsy azonay afenina amin’Itompokolahy fa lany ny vola ary efa lasan’Itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason’ny tompokolahy afa-tsy ny vatan-tenanay sy ny taninay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tapitra izany taona izany, dia nankeo amin’i Josefa indray izy ireo, tamin’ny taona manaraka, nanao taminy hoe: «Tsy hafeninay amin’ny tompoko, fa ny vola efa lany, ny andiam-biby fiompy efa lasan’ny tompoko avokoa; ny tenabenay sy ny taninay sisa eto imason’ny tompoko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka herintaona dia niverina tany amin’i Jôsefa indray ny olona ka niteny taminy hoe: –Tsy afeninay aminao, tompoko, fa tsy manam-bola intsony izahay, ary ireo biby fiompinay dia efa lasanao. Koa tsy misy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay no sisa eto anatrehanao.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tapitra io taona io dia nankeo aminy indray ny olona tamin’ny taona faharoa ka niteny taminy hoe: Tsy azonay afenina amin’Itompokolahy fa lany ny vola ary efa lasan’Itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason’ny tompokolahy afa-tsy ny vatan-tenanay sy ny taninay.
malagasy