Genesis 47:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia novidin’i Josefa ho an’i Farao ny tany Ejipta manontolo; fa samy nanakalo ny sahany avy ny Ejiptiana, satria mafy tamin’izy ireo ny mosary. Koa lasan’i Farao ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia lasan’i Josefa ho an’i Faraôna ny tany Ejipta manontolo; fa ny Ejiptianina samy nanakalo ny sahany avy, fa resi-mosary, hany ka tonga fananan’i Faraôna ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novidîn’i Jôsefa ho an’ny Farao ny tany rehetra tao Ejipta, satria nihamafy ny mosary ka samy nivarotra ny sahany avy ny Ejiptianina. Noho izany dia lasa fananan’ny Farao avokoa ny tany manontolo;
Malagasy Bible 1865
Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia novidin’i Josefa ho an’i Farao ny tany Ejipta manontolo; fa samy nanakalo ny sahany avy ny Ejiptiana, satria mafy tamin’izy ireo ny mosary. Koa lasan’i Farao ny tany.
malagasy
Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany.