Genesis 47:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara avy tamin’i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’i Farao azy. Izany no tsy nanakalozany ny tanin’izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tanin’ny mpisorona no hany sisa tsy lasany, fa nanana anjara hanina tamin’i Faraôna ny mpisorona, ka nisy hivelomany, izay anjara nomen’i Faraôna azy, izany no tsy mba nanakalozany ny taniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tany tsy mba novidin’i Jôsefa dia ny tanin’ireo mpisorona, satria nisy didy navoakan’ny Farao hitsimbinana azy. Anjara sakafo nomen’ny Farao azy no fihinany; izany no tsy nivarotan’ireo mpisorona ny taniny.
Malagasy Bible 1865
Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara avy tamin’i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’i Farao azy. Izany no tsy nanakalozany ny tanin’izy ireo.
malagasy
Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.