Genesis 47:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa misy vokatra dia haterinareo ho an’i Farao ny ampahadiminy; ho anareo kosa ny ampahany efatra sisa ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’izay ao an-tranonareo ary ho sakafon’ny zanakareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa rehefa miakatra ny vokatra, dia haterinareo ho an’ny Farao ny ampahadiminy; ny efatra ampahadiminy kosa dia hotazoninareo mba ho masom-boly ary koa ho sakafonareo sy ny zanakareo mbamin’izay rehetra mipetraka ao an-tranonareo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa misy vokatra dia haterinareo ho an’i Farao ny ampahadiminy; ho anareo kosa ny ampahany efatra sisa ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’izay ao an-tranonareo ary ho sakafon’ny zanakareo.
malagasy