Genesis 47:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataon’i Josefa ho lalàna tany amin’ny tany Ejipta mandraka androany izany. Ho an’i Farao ny ampahadimin’ny vokatra; ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’i Farao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataon’i Josefa lalàna izany amin’ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak’androany, ka araka izany lalàna izany dia an’i Faraôna ny ampahadimin’ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin’ny mpisorona ihany no hany tsy azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany no namoahan’i Jôsefa lalàna tany Ejipta, lalàna mbola manan-kery mandraka androany, fa ny ampahadimin’ny vokatra dia aterina ho an’ny Farao. Ny tanin’ny mpisorona irery ihany no tsy mba lasa fananan’ny Farao.
Malagasy Bible 1865
Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataon’i Josefa ho lalàna tany amin’ny tany Ejipta mandraka androany izany. Ho an’i Farao ny ampahadimin’ny vokatra; ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’i Farao.
malagasy
Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.