Genesis 47:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa antomotra ny andro hahafatesan’Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy ka niteny taminy hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonao aho dia miangavy anao: Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao ka ataovy amiko izay soa sy izay marina! Miangavy anao aho: Aza alevina atỳ Ejipta aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa akaiky ny fara andron’i Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho masìna ianao, ataovy ato ambany feko ny tananao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina aty Ejipta aho,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa akaiky ny andro hahafatesan’i Jakôba, dia niantso an’i Jôsefa zanany izy ka nanao taminy hoe: –Raha tia ahy ianao, dia asehoy amiko ny fitiavanao sy ny toetranao mahafatra-po, aza alevina aty Ejipta aho. Mianiàna amiko ianao, ka ataovy ato ambany feko ny tananao.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa antomotra ny andro hahafatesan’Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy ka niteny taminy hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonao aho dia miangavy anao: Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao ka ataovy amiko izay soa sy izay marina! Miangavy anao aho: Aza alevina atỳ Ejipta aho!
malagasy