Genesis 47:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa rehefa modimandry any amin’ny razako aho dia hoentinao hiala atỳ Ejipta ka halevinao ao amin’ny fasany. Dia hoy i Josefa: Hataoko izany araka ny teninao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa raha avy izay hodiako mandry any amin’ny razako, ento miala aty Ejipta aho, ka aleveno any amin’ny fasan’izy ireo.» Dia hoy ny navalin’i Josefa: «Eny, hotanterahiko ny teninao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa maty aho, dia ento hiala aty Ejipta ka aleveno any am-pasan-drazako. Ka hoy i Jôsefa hoe: –Hotanterahiko araka ny teninao izany.
Malagasy Bible 1865
Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa rehefa modimandry any amin’ny razako aho dia hoentinao hiala atỳ Ejipta ka halevinao ao amin’ny fasany. Dia hoy i Josefa: Hataoko izany araka ny teninao.
malagasy
Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny farafara Isiraely.