Genesis 47:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa izy ireo tamin’i Farao: Mba hivahiny eto amin’ity tany ity no niavianay fa tsy misy ahitra ho an’ny ondry aman’osin’ny mpanomponao intsony any amin’ny tany Kanana satria mafy ny mosary any. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka mba honina ao amin’ny tany Gosena ny mpanomponao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy koa izy tamin’i Faraôna: «Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin’ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin’ny ondrin’ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin’ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin’ny tany Gesena ny mpanomponao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namely mafy ny mosary tao amin’ny tany Kanahàna, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an’ny ondry aman’osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin’ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa izy ireo tamin’i Farao: Mba hivahiny eto amin’ity tany ity no niavianay fa tsy misy ahitra ho an’ny ondry aman’osin’ny mpanomponao intsony any amin’ny tany Kanana satria mafy ny mosary any. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka mba honina ao amin’ny tany Gosena ny mpanomponao!
malagasy