Genesis 47:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eo anoloanao ny tany Ejipta; koa amin’izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao. Aoka honina ao amin’ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy dia tendreo izy ho lehiben’ny mpiandry ny omby aman’ondriko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka honina amin’ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin’izy ireo ianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ny tany Ejipta manontolo dia eo anatrehanao; koa izay faritra tsara indrindra no amponeno azy. Mahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena izy; ary raha fantatrao fa misy olo-mahay amin’izy ireo, dia tendreo ho lehiben’ny fiandrasana ny andiam-biby fiompiko.
Malagasy Bible 1865
ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman'ondriko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eo anoloanao ny tany Ejipta; koa amin’izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao. Aoka honina ao amin’ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy dia tendreo izy ho lehiben’ny mpiandry ny omby aman’ondriko.
malagasy