Genesis 47:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Jakoba tamin’i Farao: Telopolo amby zato taona no andro nivahinianako. Sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy mba nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny andro nivahiniany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Jakôba tamin’i Faraôna: «Telopolo amby zato taona no andron’ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny fivahiniany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron’ireo razako tamin’ny fotoana nivahiniany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Jakoba tamin’i Farao: Telopolo amby zato taona no andro nivahinianako. Sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy mba nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny andro nivahiniany.
malagasy
Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany.