Genesis 48:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia nisy nilaza tamin’i Josefa hoe: Indro, marary ny rainao. Dia noentiny niaraka taminy i Manase sy i Efraima, zanany mirahalahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany nisy tonga nilaza tamin’i Josefa hoe: «Indro marary i rainao.» Nentiny niaraka taminy i Manase sy i Efraima zanany mirahalahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin’i Jôsefa fa marary ny rainy. Dia nentin’i Jôsefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraîma.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia nisy nilaza tamin’i Josefa hoe: Indro, marary ny rainao. Dia noentiny niaraka taminy i Manase sy i Efraima, zanany mirahalahy.
malagasy
[Ny tso-drano nataon'i Jakoba tamin'i Manase sy Efraima, zanakalahin'i Josefa] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.