Genesis 48:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary satria efa pahina ny mason’Israely noho ny fahanterany ka tsy nahita intsony izy dia noentin’i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary nanoroka sy namihina azy ireo Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa efa nanjavona ny mason’i Israely noho ny fahanterana, ka tsy nahita. Dia nampandrosoin’i Josefa nankeo anilany ireo, ka sady nanoroka no namihina azy i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa pahina ny mason’i Jakôba noho ny fahanterana ka tsy nahita loatra intsony; dia nampanatonin’i Jôsefa azy ireto zanany lahy. Ary namihina ireo i Jakôba sady nanoroka azy.
Malagasy Bible 1865
Ary efa pahina ny mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary satria efa pahina ny mason’Israely noho ny fahanterany ka tsy nahita intsony izy dia noentin’i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary nanoroka sy namihina azy ireo Israely.
malagasy
Ary efa pahina ny mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.