Genesis 48:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia notantanan’i Josefa izy mirahalahy: I Efraima, tamin’ny tanany havanana, ho eo ankavian’Israely, ary i Manase tamin’ny tanany havia, ho eo amin’ny ankavanan’Israely, ka noentiny nanatona azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia noraisin’i Josefa izy mirahalahy, i Efraima tamin’ny ankavanany, ho eo ankavian’i Israely; ary i Manase tamin’ny ankaviany, ho eo ankavanan’i Israely, dia nampandrosoiny izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraisiny tamin’ny tanany havanana i Efraîma ka narosony ho eo an-kavian’i Jakôba, ary noraisiny tamin’ny tanany havia kosa i Manase mba ho eo an-kavanan’i Jakôba, dia nampanatoniny an-draibeny indray izy mirahalahy.
Malagasy Bible 1865
Dia notantanan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia notantanan’i Josefa izy mirahalahy: I Efraima, tamin’ny tanany havanana, ho eo ankavian’Israely, ary i Manase tamin’ny tanany havia, ho eo amin’ny ankavanan’Israely, ka noentiny nanatona azy.
malagasy
Dia notantanan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.